Irery,mahatsiaro irery
Anivon’olona maro ,anaty rahon-kira
Jemby torimaso, maheno feo iva.
Irery feno sentosento
Hafanana anaty, rakotry ny ando
Miandrandra hatrany jiro mitsilopy.
Kanefa tsy misy tsiny
Fomba ihany ny mba lasa sento, lasa vinany
Sanatria ny hitomany
Tsy mitalao , tsy mitaraina
tsy very toky mbola mivazo.
Irery toa very remby
Masoandro mody,very fanahy
Vonton’hakiviana, mahatsiaro ny akany.